I Albert Lagrange dia teraka tao Bourg-en Bresse, Diosezin’i Belley-Ars, tamin’ny 7 mars 1855. Nony feno telo taona izy dia nandray ny tsodranon’i Md Curé d’Ars. Taorian’ny fianarany tao amin’ny Seminera zandriny tao Autun, dia nanohy fianarana momba ny Lalàna (Droits) tany Paris izy, mandra-pahazoany ny mari-pahaizana ambony “Doctorat”. Nanintona azy mafy ny tanjon’i Md Dominika – « fanahy madio » – ka niditra tany amin’ny Semineran’i Issy-les-Moulineaux izy (1878-1879) ary nanao ny Noviciat tao amin’ny Fikambanan’ny Frera Mpitoriteny (Frères Prêcheurs) tao Saint-Maximin, izay nandraisany ny akanjo maha Dominikana azy, avy amin’ny Provensialy (Prieur provincial), frera Hyacinthe-Marie Cormier, izay nasandratry ny Papa Joany Paoly II ho Olontsambatra.
Vantany vao vita ny nociviciat-ny tamin’ny taona 1880 dia nisy lalàna nivoaka nandroaka ny relijiozy ka nahavoatery ny Frera Dominikana hiala tao Frantsa. Ireo Dominikana Espaniola no nandray azy ireo tao amin’ny Tranon-drelijiozy (Couvent) Md-Etienne ao Salamanque, izay tonga toeram-pianaran’i frera Lagrange ny Teolojian’i Md Thomas d’Aquin sy ny Fampianarana Mistika (Doctrine mystique) n’i Mb Thérèse d’Avila. Tao Zamora no nanamasinana azy ho Pretra ny 22 desambra 1883.
Noho ny nananany fitiavana manokana ny fianarana ny Baiboly, dia nalefa tany amin’ny Tranon-drelijiozy Md-Etienne izy, toerana fianarana ny Baiboly izay vao notokanana tamin’ny 15 novambra 1890. Hatramin’io fotoana io ka hatramin’ny fara-fofon’ainy dia natokany tamin’ny asa fikarohana ara-Baiboly ny fiainany : mpikaroka, mpampianatra Ekjezety (Exégèse), Talen’ny Sekoly Fianarana ny Baiboly sy ny gazety-boky (revue) momba ny Baiboly (1892), mpanoratra boky maro sy lahatsoratra maro, mpitoriteny, sns. Nolaniany tao Jerosalema ny dimy-amby-efapolo (45) taona niainany. Ny boky fantatra indrindra tamin’ireo nosoratany dia ilay mitondra ny lohateny hoe “L’Evangile de Jésus-Christ” ( Ny Evanjelin’i Jesoa Kristy), izay voadika amin’ny fiteny maro.
Ny fikarohana ekjezetika nataony dia nanome fahamendrehana ny fomba fisainana katolika mba ho azo ampitahaina sy ho tononina eo anivon’ireo toerana fanovozam-pahalalana isan-tsokajiny. Na izany aza anefa dia hita ihany tao amin’io sehatra fijoroana ho apôstôly mba ho famonjena ny fanahin’ny olona io ny fifanoheran-kevitra sy ny fitsapana maro isan-karazany. Nefa noho ny herim-po sy fitokisana nananan’i Mompera Lagrange dia vitany ny nanohy hatramin’ny farany ny fanompoany ny Fiangonana.
Tamin’ny taona 1935 no niverina tanteraka tany Frantsa izy noho ny tsy fahasalamany, tao amin’ny Tranon-drelijiozy Md-Maximin, izay toerana nodiany nakany amin’ny Ray ny 10 mars 1938. Naverina any Jerosalema anefa ny sisan-taolany tamin’ny taona 1967, napetraka manoloana ny otelin’ny Bazilika Md-Etienne.
FrenchItalianEnglishGermanSpanishChinesePortuguese, BrazilVietnamese